-
WORD Research this...1 Chronicles 11
- 1 Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
- 2 Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
- 3 Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
- 4 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
- 5 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
- 6 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
- 7 Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
- 8 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
- 9 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
- 10 Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
- 11 Dia izao no isan’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Jasobeama, zanak’ i Hakmony, lehiben’ ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka naharingana azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
- 12 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery.
- 13 Izy dia teo amin’ i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
- 14 Fa nijanona teo afovoan’ io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
- 15 Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
- 16 Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
- 17 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady.
- 18 Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
- 19 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’ Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
- 20 Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
- 21 Eny, tamin’ izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
- 22 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ ny lavaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny.
- 23 Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
- 24 Izany zavatra izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
- 25 Indro fa be voninahitra tamin’ ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
- 26 Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, sy Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
- 27 sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
- 28 sy Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta, sy Abiezera Anatotita
- 29 sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
- 30 sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak’ i Bana Netofatita,
- 31 sy Itahy, zanak’ i Ribay avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, sy Benaia Piratonita
- 32 sy Horay, any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy, sy Abiela Arbatita
- 33 sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
- 34 sy ny zanak’ i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak’ i Sage Hararita,
- 35 sy Ahiama, zanak’ i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak’ i Ora,
- 36 sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
- 37 sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak’ i Ezbay,
- 38 sy Joela, rahalahin’ i Natana, sy Mibara, zanak’ i Hagry.
- 39 sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
- 40 sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
- 41 sy Oria Hetita sy Zabada, zanak’ i Ahelay,
- 42 sy Adina, zanak’ i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
- 43 sy Hanana, zanak’ i Maka, sy Josafata Mitnita
- 44 sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak’ i Hotama Aroerita,
- 45 sy Jediaela, zanak’ i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
- 46 sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak’ i Elnama, sy Jitma Moabita
- 47 sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaïta.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.