-
WORD Research this...1 Chronicles 21
- 1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
- 2 Dia hoy Davida tamin’ i Joaba sy tamin’ ireo lehiben’ ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
- 3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
- 4 Nefa tsy azon’ i Joaba nolavina ny tenin’ ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
- 5 Ary natolotr’ i Joaba an’ i Davida ny isan’ ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Joda.
- 6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin’ i Joaba ny tenin’ ny mpanjaka.
- 7 Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
- 8 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
- 10 Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
- 11 Ary Gada nankany amin’ i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Mifidia:
- 12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan’ ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr’ i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin’ i Jehovah handringana eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin’ Izay naniraka ahy.
- 13 Ary hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
- 14 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
- 15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
- 16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
- 17 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ ny areti-mandringana.
- 18 Ary Gada nasain’ Ilay Anjelin’ i Jehovah hilaza amin’ i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
- 19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, izay nolazainy tamin’ ny anaran’ i Jehovah.
- 20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’ izay.
- 21 Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
- 22 Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
- 23 Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
- 24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’ i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’ izay azoko fotsiny.
- 25 Dia nomen’ i Davida sekely volamena lanjan’ enin-jato Araona ho vidin’ ny tany.
- 26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
- 27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ ny tranony ny sabany.
- 28 Tamin’ izany andro izany, nony hitan’ i Davida fa novalian’ i Jehovah teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
- 29 Fa ny tabernakelin’ i Jehovah izay nataon’ i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
- 30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’ izany hanontany amin’ Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ Ilay Anjelin’ i Jehovah.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.