-
WORD Research this...1 Chronicles 23
- 1 Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.
- 2 Ary novoriny ny lehiben’ ny Isiraely rehetra mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita.
- 3 Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.
- 4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
- 5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.
- 6 Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
- 7 Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
- 8 Ny zanakalahin’ i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
- 9 Ny zanakalahin’ i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ ny fianakavian’ i Ladana.
- 10 Ary ny zanakalahin’ i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’ i Simey.
- 11 Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
- 12 Ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
- 13 Ny zanakalahin’ i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masìna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ ny anarany mandrakizay.
- 14 Nefa ny amin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, dia nisaina tamin’ ny firenen’ i Levy ihany ny zanany.
- 15 Ny zanakalahin’ i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
- 16 Tamin’ ny zanakalahin’ i Gersona dia Seboela no lohany.
- 17 Ary tamin’ ny zanakalahin’ i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’ i Rehabia dia maro indrindra.
- 18 Tamin’ ny zanakalahin’ i Jizara dia Selomota no lohany.
- 19 Ny zanakalahin’ i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
- 20 Ny zanakalahin’ i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
- 21 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’ i Maly dia Eleazara sy Kisy.
- 22 Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’ i Kisy havany no nanambady ireo.
- 23 Ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
- 24 Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
- 25 Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
- 26 Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
- 27 Fa araka ny fara-tenin’ i Davida dia nisaina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
- 28 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
- 29 ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
- 30 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,
- 31 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 32 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.