-
WORD Research this...1 Corinthians 14
- 1 Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
- 2 Fa izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra; fa amin’ ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
- 3 fa izay maminany kosa miteny amin’ olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
- 4 Izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
- 5 Tiako raha samy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ ny fiangonana fampandrosoana.
- 6 Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin’ izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
- 7 Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin’ ny sodina, na amin’ ny lokanga?
- 8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
- 9 Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ ny rivotra ianareo.
- 10 Misy fiteny maro samy hafa amin’ izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
- 11 Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin’ izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
- 12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
- 13 Koa aoka izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
- 14 Fa raha mivavaka amin’ ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
- 15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
- 16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon’ izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
- 17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
- 18 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
- 19 nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ ny fiteny tsy fantatra.
- 20 Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ ny fahalalana; raha amin’ ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
- 21 Voasoratra amin’ ny lalàna hoe: Amin’ ny olona hafa fiteny sy amin’ ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ ity firenena ity; fa na dia amin’ izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah.
- 22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ ny tsy mino, fa tsy amin’ ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin’ ny mino, fa tsy amin’ ny tsy mino.
- 23 Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
- 24 Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ ny anatra ataon’ izy rehetra izy sady hotsarain’ izy rehetra;
- 25 ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’ Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
- 26 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
- 27 Raha misy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
- 28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ ny fiangonana; fa aoka hiteny amin’ ny tenany sy amin’ Andriamanitra ihany izy.
- 29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
- 30 Fa raha misy tsindrian’ ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
- 31 fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran’ izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
- 32 ary ny fanahin’ ny mpaminany dia manaiky hozakain’ izy mpaminany.
- 33 Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotronana, fa tompon’ ny fiadanana. Araka ny fanaon’ ny fiangonan’ ny olona masìna rehetra,
- 34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.
- 35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
- 36 Avy aminareo va no nihavian’ ny tenin’ Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
- 37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
- 38 Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
- 39 Koa amin’ izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra;
- 40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ ny fahamendrehana sy ny filaminana.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.