-
WORD Research this...1 Corinthians 15
- 1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
- 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
- 3 Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masìna,
- 4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;
- 5 ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.
- 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
- 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.
- 8 Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
- 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.
- 10 Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
- 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
- 12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
- 13 Fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
- 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
- 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
- 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
- 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo;
- 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
- 19 Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
- 20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
- 21 Ary satria ny olona iray no nisehoan’ ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ ny fitsanganan’ ny maty.
- 22 Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy.
- 23 Nefa samy amin’ ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fihaviany.
- 24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’ izay dia hatolony ho an’ Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
- 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ ny tongony.
- 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
- 27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ ny tongony. Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’ izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
- 28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
- 29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
- 30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
- 31 Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.
- 32 Raha araka ny fanaon’ olona no niadiako tamin’ ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’ izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
- 33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
- 34 Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’ Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
- 35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
- 36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
- 37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
- 38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
- 39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
- 40 Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny etỳ an-tany.
- 41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
- 42 Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
- 43 afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;
- 44 afafy tena araka ny fomban’ aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
- 45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.
- 46 Anefa tsy izay amin’ ny fanahy no voalohany, fa izay amin’ ny manan’ aina, dia vao izay amin’ ny fanahy.
- 47 Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
- 48 Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
- 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
- 50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
- 51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
- 52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
- 53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
- 54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
- 55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?.
- 56 Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
- 57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 58 Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.