-
WORD Research this...1 Kings 11
- 1 Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
- 2 dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
- 3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
- 4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
- 5 Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
- 6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin’ ny fanarahana Azy tahaka an’ i Davida rainy.
- 7 Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
- 8 Ary toy izany koa no nataony ho an’ izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny.
- 9 Ary Jehovah tezitra tamin’ i Solomona noho ny nivilian’ ny fony niala tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
- 10 sady efa nandidy azy ny amin’ izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah izy.
- 11 Ka dia hoy Jehovah tamin’ i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
- 12 Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
- 13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
- 14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
- 15 Fa rehefa nanafika an’ i Edoma Davida, ary Joaba, komandin’ ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
- 16 (fa enim-bolana no nitoeran’ i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
- 17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin’ izay.
- 18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
- 19 Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason’ i Farao, ka dia ny rahavavin’ i Tapanesa, vadin’ ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
- 20 Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.
- 21 Ary rehefa ren’ i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin’ ny razany, sady maty koa Joaba, komandin’ ny miaramila, dia hoy izy tamin’ i Farao: Alefaso aho hody any amin’ ny tanin-drazako.
- 22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
- 23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
- 24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
- 25 Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
- 26 Ary Jerobeama, zanak’ i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon’ i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka.
- 27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
- 28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan’ i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak’ i Josefa tamin’ ny fanompoany rehetra.
- 29 Ary tamin’ izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
- 30 Dia noraisin’ i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin’ ny folo.
- 31 Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
- 32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
- 33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
- 34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
- 35 fa hesoriko eo an-tànan’ ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
- 36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
- 37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin’ izay rehetra irin’ ny fanahinao ary ho mpanjaka amin’ ny Isiraely.
- 38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
- 39 Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
- 40 Ary Solomona nitady hamono an’ i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin’ i Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’ i Solomona.
- 41 Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
- 42 Ary ny andro nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
- 43 Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.