-
WORD Research this...1 Kings 15
- 1 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
- 2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
- 3 Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
- 4 Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
- 5 satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
- 6 Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin’ ny andro rehetra niainany.
- 7 Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama
- 8 Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
- 9 Ary tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Asa tamin’ ny Joda.
- 10 Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
- 11 Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
- 12 Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
- 13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
- 14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’ i Jehovah ny fon’ i Asa tamin’ ny andro rehetra niainany.
- 15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
- 16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
- 17 Ary Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an’ i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
- 18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’ i Beni-hadada, zanak’ i Tabrimona, zanak’ i Heziona, mpanjakan’ i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
- 19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
- 20 Ary Beni-hadada nihaino an’ i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely, ary namely an’ Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ ny tanin’ ny Naftaly rehetra izy.
- 21 Ary rehefa ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
- 22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa; ary nentin’ i Asa mpanjaka nanamboatra an’ i Geban’ i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
- 23 Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
- 24 Ary lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
- 25 Ary Nadaba, zanak’ i Jeroboama, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
- 26 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
- 27 Ary Basa, zanak’ i Ahia, amin’ ny taranak’ Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an’ ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an’ i Gibetona fahizay).
- 28 Ary Basa nahafaty azy tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
- 29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
- 30 noho ny fahotana nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin’ izay nataony nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 31 Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
- 33 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
- 34 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.