-
WORD Research this...1 Kings 16
- 1 Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
- 2 Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,
- 3 dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.
- 4 Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.
- 5 Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 6 Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
- 7 Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
- 8 Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
- 9 Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
- 10 Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
- 11 Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
- 12 Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,
- 13 noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
- 14 Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 15 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
- 16 Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.
- 17 Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.
- 18 Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty
- 19 noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
- 20 Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 21 Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
- 22 Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
- 23 Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
- 24 Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.
- 25 Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
- 26 fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
- 27 Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 28 Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
- 29 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
- 30 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
- 31 Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
- 32 Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.
- 33 Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
- 34 Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.