-
WORD Research this...1 Kings 8
- 1 Ary tamin’ izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon’ ny Isiraely sy ny lohan’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan’ i Davida.
- 2 Dia nivory ho any amin’ i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana Etanima (volana fahafito izany).
- 3 Ary tonga ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
- 4 ary dia nampakariny ny fiaran’ i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin’ ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
- 5 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
- 6 Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima,
- 7 fa nivelatra teo ambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
- 8 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin’ ny fitoerana masìna eo anoloan’ ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
- 9 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon’ i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 10 Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona, dia nameno ny tranon’ i Jehovah ny rahona;
- 11 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.
- 12 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
- 13 Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
- 14 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
- 15 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’ i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
- 16 Hatramin’ ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran’ ny anarako; fa nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
- 17 Ary efa mby tao am-pon’ i Davida raiko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 18 Nefa hoy Jehovah tamin’ i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
- 19 Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an’ ny anarako.
- 20 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
- 21 Ary nasiako fitoerana teo ho an’ ny fiara izay itoeran’ ny faneken’ i Jehovah, ilay nataony tamin’ ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
- 22 Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
- 23 ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin’ ny lanitra ambony na amin’ ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an’ ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ ny fony rehetra,
- 24 sady efa nahatanteraka tamin’ i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain’ ny vavanao izany dia notanterahin’ ny tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
- 25 Koa tanteraho amin’ i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
- 26 Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin’ i Davida raiko mpanomponao.
- 27 Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
- 28 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
- 29 mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
- 30 Ary henoy ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
- 31 Raha misy olona manota amin’ ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan’ ny alitaranao amin’ ity trano ity izy,
- 32 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
- 33 Raha resy eo anoloan’ ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin’ ity trano ity izy,
- 34 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny Isiraely olonao, ary ampodio amin’ ny tany nomenao ny razany izy.
- 35 Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
- 36 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ ny taninao, izay nomenao ho lovan’ ny olonao.
- 37 Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
- 38 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
- 39 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra),
- 40 mba hatahorany Anao amin’ Izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ ny tany nomenao ny razanay.
- 41 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao izy
- 42 (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
- 43 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
- 44 Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
- 45 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
- 46 Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
- 47 ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
- 48 ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
- 49 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
- 50 eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin’ izay mamabo azy izy, dia ny hamindran’ ireo fo aminy;
- 51 fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by,
- 52 mba hihiratan’ ny masonao amin’ ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny fifonan’ ny Isiraely olonao hihaino azy amin’ izay rehetra iantsoany Anao.
- 53 Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an’ i Mosesy mpanomponao tamin’ ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
- 54 Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon’ i Solomona tamin’ i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin’ ny alitaran’ i Jehovah izay efa nandohalehan’ ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin’ ny lanitra izy.
- 55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin’ ny feo mahery hoe:
- 56 Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’ izay teny soa rehetra nampilazainy an’ i Mosesy mpanompony.
- 57 Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin’ ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
- 58 mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin’ ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
- 59 Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’ i Jehovah izany ho ao amin’ i Jehovah Andriamanitsika andro aman’ alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan’ andro,
- 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
- 61 Ary aoka ho marina amin’ i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin’ ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin’ izao anio izao.
- 62 Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah.
- 63 Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
- 64 Ary androtr’ io ihany no nanamasinan’ ny mpanjaka ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’ i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
- 65 Ary tamin’ izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ ny folo andro.
- 66 Ary nony tamin’ ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.