-
WORD Research this...1 Samuel 17
- 1 Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan’ i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
- 2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin’ ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ ny Filistina.
- 3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
- 4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ ny tobin’ ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
- 5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan’ ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.
- 6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
- 7 Ary ny haben’ ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
- 8 Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon’ i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
- 9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
- 10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan’ ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
- 11 Ary raha ren’ i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin’ ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
- 12 Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
- 13 ary ny zokiny telo lahy tamin’ ny zanak’ i Jese lasa nanaraka an’ i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran’ ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
- 14 ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an’ i Saoly;
- 15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
- 16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
- 17 Ary hoy Jese tamin’ i Davida zanany: Ento ity lango eran’ ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin’ ny rahalahinao.
- 18 Ary ento ho an’ ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
- 19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely dia teo amin’ ny lohasaha Elaha niady tamin’ ny Filistina.
- 20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
- 21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
- 22 Ary Davida namela ny entany teo anilan’ ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin’ ny laharan’ ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin’ izay toetry ny rahalahiny.
- 23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin’ ny laharan’ ny miaramilan’ ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’ i Davida.
- 24 ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
- 25 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
- 26 Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
- 27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty azy.
- 28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
- 29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
- 30 Ary niala teo aminy hankany amin’ ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
- 31 Ary nony ren’ ny olona ny teny izay nataon’ i Davida, dia nambarany tamin’ i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
- 32 Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’ ilehio ny fon’ ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin’ io Filistina io.
- 33 Fa hoy Saoly tamin’ i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’ io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
- 34 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
- 35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin’ ny somony, ary nasiako ka matiko.
- 36 Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
- 37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
- 38 Ary Saoly nampiakanjo an’ i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.
- 39 Ary Davida namehy ny sabany tamin’ ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin’ i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin’ i Davida izany.
- 40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin’ ny kitapo fitondran’ ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
- 41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an’ i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
- 42 Ary nony nijerijery an’ i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.
- 43 Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
- 44 sady nanao tamin’ i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon’ ialahy.
- 45 Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
- 46 Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
- 47 Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
- 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’ i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ ny laharan’ ny miaramila hitsena ilay Filistina.
- 49 Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
- 50 Toy izany no nandresen’ i Davida ilay Filistina tamin’ ny vaton’ antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan’ i Davida.
- 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
- 52 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
- 53 Ary ny Zanak’ Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
- 54 Ary ny lohan’ ilay Filistina dia noraisin’ i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin’ ny lainy.
- 55 Ary nony nahita an’ i Davida nandeha hiady tamin’ ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin’ i Abnera, komandin’ ny miaramila: Ry Abnera, zanak’ iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
- 56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak’ iza na zanak’ iza iny zaza iny.
- 57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain’ i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan’ i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan’ ilay Filistina.
- 58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.