-
WORD Research this...1 Samuel 23
- 1 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’ i Keila ka mamabo ny ao amin’ ny famoloana.
- 2 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
- 3 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ ny miaramilan’ ny Filistina?
- 4 Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
- 5 Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’ i Davida ny mponina tao Keila.
- 6 Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
- 7 Ary nambara tamin’ i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ ny tanàna misy vavahady mihidy.
- 8 Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’ i Davida sy ny olony.
- 9 Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
- 10 Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
- 11 Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
- 12 Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’ i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
- 13 Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
- 14 Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
- 15 Ary hitan’ i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’ i Zifa tany anaty ala.
- 16 Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
- 17 Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.
- 18 Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
- 19 Ary niakatra nankany amin’ i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ ny batery fiarovana any an’ ala, any amin’ ny havoana Hakila, izay atsimon’ ny efitra, va Davida?
- 20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjaka izy.
- 21 Ary hoy Saoly: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
- 22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
- 23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.
- 24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’ i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ ny efitr’ i Maona, tamin’ ny tani-hay atsimon’ ny efitra.
- 25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’ i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’ i Maona. Ary nony ren’ i Saoly izany, dia nanenjika an’ i Davida tany an-efitr’ i Maona izy.
- 26 Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
- 27 Dia nisy iraka tonga tao amin’ i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
- 28 Dia niverina Saoly tamin’ ny nanenjehany an’ i Davida ary nandeha niady tamin’ ny Filistina; ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.