-
WORD Research this...1 Samuel 28
- 1 Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
- 2 Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
- 3 (Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
- 4 Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
- 5 Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
- 6 Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
- 7 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
- 8 Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
- 9 Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’ i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin’ ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
- 10 Ary Saoly nianiana tamin’ i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’ izao zavatra izao.
- 11 Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
- 12 Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin’ ny feo mafy izy ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
- 13 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin’ i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin’ ny tany no hitako.
- 14 Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr’ i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin’ ny tany izy ka niankohoka.
- 15 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
- 16 Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
- 17 Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin’ ny tananao ny fanjakana ka nomeny an’ i Davida namanao.
- 18 Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ ny Amalekita, dia izany no nanaovan’ i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
- 19 Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
- 20 Dia lavo niampatra tamin’ ny tany niaraka tamin’ izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’ i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
- 21 Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
- 22 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin’ ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin’ ny alehanao ianao.
- 23 Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
- 24 Ary ravehivavy nanana zanak’ omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
- 25 Ary narosony teo anoloan’ i Saoly sy teo anoloan’ ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin’ iny alina iny ihany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.