-
WORD Research this...2 Chronicles 24
- 1 Fito taona no niainan’ i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
- 2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Joiada mpisorona.
- 3 Ary nangalan’ i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
- 5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’ Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
- 6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an’ i Joiada, lohany tamin’ ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah sy ny fiangonan’ ny Isiraely ho ao amin’ ny tabernakelin’ ny vavolombelona?
- 7 Fa ny zanak’ i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon’ Andriamanitra; ary ny zavatra masìna rehetra tao an-tranon’ i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ ireo Bala.
- 8 Ary nasain’ ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah izany.
- 9 Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
- 10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ ny vata ambara-pahatapiny.
- 11 Ary tamin’ izay andro nitondran’ ny Levita ny vata ho any amin’ ny toniany voatendrin’ ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
- 12 Ary nomen’ ny mpanjaka sy Joiada ho an’ izay nanao ny raharahan’ ny tranon’ i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
- 13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’ Andriamanitra ka nataony mafy.
- 14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’ i Jehovah mandrakariva izy tamin’ ny andron’ i Joiada rehetra.
- 15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
- 16 Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida tao amin’ ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ ny Isiraely ary tamin’ Andriamanitra sy ny tranony koa.
- 17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
- 18 Ary nandao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
- 19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
- 20 Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
- 21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
- 22 Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
- 23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan’ i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ ny olona, ary nampitondrainy ho any amin’ ny mpanjakan’ i Damaskosy ny babo rehetra.
- 24 Fa vitsy ny miaramilan’ ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ ireo ny famaliana an’ i Joasy.
- 25 Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
- 26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’ i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’ i Simrita Moabita.
- 27 Ary ny amin’ ny zanany sy ny hamafin’ ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’ Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.