-
WORD Research this...2 Chronicles 29
- 1 Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin’ i Zakaria.
- 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
- 3 Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy.
- 4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-kalalahana atsinanana.
- 5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
- 6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan’ i Jehovah.
- 7 Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.
- 8 Ka dia nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan’ ny masonareo izao.
- 9 Fa he! lavon’ ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
- 10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
- 11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
- 12 Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak’ i Amasay, sy Joela, zanak’ i Azaria, tamin’ ny taranaky ny Kehatita; ary tamin’ ny taranak’ i Merary dia Kisy, zanak’ i Abdia, sy Azaria, zanak’ i Jehalalila; ary tamin’ ny Gersonita dia Joa, zanak’ i Zima, sy Edena, zanak’ i Joa;
- 13 ary tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin’ ny taranak’ i Asafa dia Zakaria sy Matania;
- 14 ary tamin’ ny taranak’ i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin’ ny taranak’ i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
- 15 Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin’ ny mpanjaka noho ny tenin’ i Jehovah mba hanadio ny tranon’ i Jehovah.
- 16 Ary ny mpisorona niditra tao amin’ ny efitra anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin’ i Jehovah ho eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
- 17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin’ ny andro fahavalo tamin’ io volana io dia niditra teo amin’ ny lavarangana fidirana an’ i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny havaloana izy; ary tamin’ ny andro fahenina ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany no nahavitany azy.
- 18 Dia niditra tao amin’ i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’ i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy koa.
- 19 Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain’ i Ahaza mpanjaka tamin’ ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah.
- 20 Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah.
- 21 Ary nitondra vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak’ ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny fanjakana sy ho an’ ny fitoerana masìna ary ho an’ ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah.
- 22 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy, ary noraisin’ ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin’ ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak’ ondry, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny.
- 23 Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
- 24 dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
- 25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
- 26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon’ i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
- 27 Ary nasain’ i Hezekia naterina teo ambonin’ ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’ i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin’ ny zava-manenon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
- 28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan’ ny fanatitra dorana.
- 29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra teo aminy.
- 30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
- 31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
- 32 Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
- 33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman’ osy telo arivo.
- 34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
- 35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah.
- 36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’ Andriamanitra ho an’ ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.