-
WORD Research this...2 Kings 10
- 1 Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:
- 2 Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
- 3 dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin’ ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary apetraho amin’ ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an’ ny mpianakavin’ ny tomponareo.
- 4 Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
- 5 Ary ny lehiben’ ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin’ i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
- 6 Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan’ ireo zanakalahin’ ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ ireo lehiben’ ny tanàna, mpitaiza azy.
- 7 Ary nony efa tonga tany amin’ ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin’ i Jeho tany Jezirela.
- 8 Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan’ ny vavahady mandra-pahamarain’ ny andro.
- 9 Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin’ ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
- 10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
- 11 Ka dia novonoin’ i Jeho izay sisa rehetra tamin’ ny taranak’ i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
- 12 Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian’ ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,
- 13 dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
- 14 Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin’ ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
- 15 Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
- 16 Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’ i Jehovah. Dia nentina teo amin’ ny kalesy izy.
- 17 Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin’ ny tamingan’ i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy tamin’ i Elia.
- 18 Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an’ i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
- 19 Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon’ i Bala.
- 20 Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masìna ho an’ i Bala. Koa dia nanendry andro izy.
- 21 Ary Jeho naniraka tany amin’ ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon’ i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon’ i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
- 22 Dia hoy Jeho tamin’ ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
- 23 Ary Jeho sy Jonadaba, zanak’ i Rekaba, nankao an-tranon’ i Bala ka niteny tamin’ ny mpanompon’ i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon’ i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon’ i Bala ihany.
- 24 Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
- 25 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
- 26 Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.
- 27 Ary nandrava ny tsangam-baton’ i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
- 28 Toy izany no nandravan’ i Jeho an’ i Bala tsy ho amin’ ny Isiraely.
- 29 Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
- 30 Ary hoy Jehovah tamin’ i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin’ ny taranak’ i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika.
- 31 Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin’ ny lalàn’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny fony rehetra; fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
- 32 Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
- 33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
- 34 Ary ny tantaran’ i Jeho sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 35 Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
- 36 Ary ny andro izay nanjakan’ i Jeho tamin’ ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.