-
WORD Research this...2 Kings 23
- 1 Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.
- 2 Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
- 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
- 4 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
- 5 Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
- 6 Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
- 7 Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
- 8 Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ ny vavahadin’ i Josoa, komandin’ ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ ny vavahadin’ ny tanana.
- 9 Fa ny mpisorona tamin’ ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ ny rahalahiny ihany izy.
- 10 Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
- 11 Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
- 12 Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ ny tranon’ i Ahaza, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Joda, sy ny alitara izay nataon’ i Manase tao anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah, dia noravan’ ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
- 13 Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
- 14 Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan’ olona ny nitoerany.
- 15 Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
- 16 Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
- 17 Dia hoy izy: Tsangam-baton’ iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ ny alitara eto Betela izao.
- 18 Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan’ ilay mpaminany avy tany Samaria.
- 19 Ary ny trano rehetra tamin’ ny fitoerana avo, izay teny amin’ ny tanànan’ i Samaria, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan’ i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
- 20 Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
- 21 Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ity fanekena ity.
- 22 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ ny andron’ ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda;
- 23 fa tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an’ i Jehovah tany Jerosalema.
- 24 Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin’ i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin’ ny lalàna voasoratra ao amin’ ilay boky hitan’ i Hilkia mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah.
- 25 Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’ i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
- 26 Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
- 27 Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
- 28 Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 29 Tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia no niakaran’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, hankany amoron’ ny ony Eofrata hiady amin’ ny mpanjakan’ i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin’ i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
- 30 Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin’ ny fasany. Ary nalain’ ny vahoaka Joahaza, zanak’ i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
- 31 Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
- 32 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ ny razany.
- 33 Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
- 34 Ary Farao-neko nanendry an’ i Eliakima, zanak’ i Josia, ho mpanjaka hisolo an’ i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
- 35 Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
- 36 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin’ ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin’ i Pedaia, avy any Romaha.
- 37 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay nataon’ ny razany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.