-
WORD Research this...2 Kings 9
- 1 Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin’ ny zanakalahin’ ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
- 2 ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin’ ny namany, ary ento any amin’ ny efi-trano anatiny izy;
- 3 ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin’ ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
- 4 Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon’ ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.
- 5 Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin’ iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
- 6 Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin’ ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan’ ny Isiraely oloko.
- 7 Ary hamely ny tamingan’ i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’ i Jezebela ny ran’ ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ ny mpanompon’ i Jehovah rehetra.
- 8 Eny, ho fongotra ny taranak’ i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin’ ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin’ ny Isiraely;
- 9 Ary ny taranak’ i Ahaba hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia;
- 10 Ary Jezebela hohanin’ ny alika ao amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
- 11 Ary Jeho nivoaka nankao amin’ ny mpanompon’ ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan’ iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
- 12 Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho.
- 13 Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
- 14 Ary Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, nikomy tamin’ i Jorama (fa Jorama mbamin’ ny Isiraely rehetra niaro an’ i Ramota-gileada noho ny fananihan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, azy;
- 15 Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
- 16 Dia niakatra teo amin’ ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran’ i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, efa nidina hamangy an’ i Jorama.
- 17 Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon’ ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin’ i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
- 18 Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
- 19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
- 20 Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran’ i Jeho, zanak’ i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
- 21 Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan’ ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, samy nitsangana teo amin’ ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’ i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ ny tanin’ i Nabota Jezirelita izy.
- 22 Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
- 23 Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin’ i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
- 24 Ary nohenjanin’ i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an’ i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin’ ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin’ ny kalesiny.
- 25 Ary hoy Jeho tamin’ i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin’ ny sahan’ i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’ i Ahaba rainy, dia nolazain’ i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
- 26 Efa hitako tokoa omaly ny ran’ i Nabota sy ny ran’ ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin’ ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin’ io tany io araka ny tenin’ i Jehovah.
- 27 Ary nony hitan’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izany, dia nandositra tamin’ ny lalana mankamin’ ny trano ao anatin’ ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin’ ny kalesiny teo amin’ ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’ i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
- 28 Ary ny mpanompony nitondra azy tamin’ ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida.
- 29 Ary tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, no vao nanjakan’ i Ahazia tamin’ ny tany Joda.
- 30 Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
- 31 Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
- 32 Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
- 33 Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin’ ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin’ i Jeho izy.
- 34 Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin’ ny mpanjaka izy.
- 35 Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
- 36 Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin’ i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an’ i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ ny tany Jezirela no hihinanan’ ny alika ny nofon’ i Jezebela,
- 37 Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.