-
WORD Research this...2 Samuel 2
- 1 Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
- 2 Dia niakatra nankany Davida mbamin’ ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
- 3 Ary ny olona izay tao amin’ i Davida mbamin’ ny ankohonan’ ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin’ ny tanàna momba an’ i Hebrona izy ireo.
- 4 Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
- 5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
- 6 Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
- 7 Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ ny firenen’ i Joda ho mpanjakany.
- 8 Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
- 9 dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
- 10 (Ary efa-polo taona no nahaveloman’ Isboseta, zanak’ i Saoly, fony izy vao nanjaka amin’ ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen’ i Joda nomba an’ i Davida.
- 11 Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
- 12 Ary Abnera, zanak’ i Nera, sy ny mpanompon’ Isboseta, zanak’ i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
- 13 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
- 14 Ary hoy Abnera tamin’ i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
- 15 Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny Benjamina, izay an’ Isboseta, zanak’ i Saoly, ary roa ambin’ ny folo lahy koa tamin’ ny mpanompon’ i Davida.
- 16 Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
- 17 Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
- 18 Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
- 19 Ary Asahela nanenjika an’ i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an’ i Abnera dia tsy nivily akory na tamin’ ny ankavanana na tamin’ ny ankavia.
- 20 Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
- 21 Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
- 22 Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
- 23 Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
- 24 Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an’ i Abnera; ka nony tonga teo amin’ ny havoana Ama izy, izay tandrifin’ i Gia amin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Gibeona, dia maty ny masoandro.
- 25 Ary ny taranak’ i Benjamina niangona teo amin’ i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon’ ny havoana anankiray.
- 26 Ary Abnera niantso an’ i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran’ izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
- 27 Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
- 28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
- 29 Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an’ i Jordana sy namaky an’ i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
- 30 Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an’ i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin’ ny folo lahy ihany mbamin’ i Asahela no tsy teo ny mpanompon’ i Davida.
- 31 Fa ny mpanompon’ i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin’ ny Benjamita sy ny olon’ i Abnera.
- 32 Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin’ ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.