-
WORD Research this...Acts 13
- 1 Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
- 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
- 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
- 4 Ary rehefa nirahin’ ny Fanahy Masìna izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
- 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy; ary nitondra an’ i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
- 6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
- 7 izay nitoetra tao amin’ i Serygio Paolo, governoran’ ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra.
- 8 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
- 9 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina azy
- 10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy?
- 11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
- 12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ ny fampianaran’ ny Tompo.
- 13 Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
- 14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata ka nipetraka teo.
- 15 Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy.
- 16 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;
- 17 Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
- 18 Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
- 19 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izy
- 20 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin’ i Samoela mpaminany.
- 21 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.
- 22 Ary rehefa nanaisotra an’ i Saoly Izy, dia nanandratra an’ i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an’ i Davida, zanak’ i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.
- 23 Avy tamin’ ny taranak’ izany lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
- 24 rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
- 25 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
- 26 Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.
- 27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.
- 28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
- 29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
- 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.
- 31 Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny.
- 32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana,
- 33 dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany.
- 34 Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
- 35 Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.
- 36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;
- 37 fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
- 38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
- 39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.
- 40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
- 41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza
- 42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.
- 43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
- 44 Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’ Andriamanitra.
- 45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.
- 46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay;
- 47 fa izao no nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.
- 48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino.
- 49 Ary ny tenin’ ny Tompo dia naely eran’ izany tany rehetra izany.
- 50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.
- 51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
- 52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masìna ny mpianatra.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.