-
WORD Research this...Acts 5
- 1 Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
- 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.
- 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ ny Fanahy Masìna ka hanafina ny vola sasany vidin’ ny tany?
- 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’ olona ianao, fa tamin’ Andriamanitra.
- 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
- 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
- 7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
- 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin’ ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
- 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
- 10 Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’ izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ ny lahy.
- 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
- 12 Ary ny tanan’ ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona;
- 13 ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
- 14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
- 15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy.
- 16 Ary ny olona maro avy tamin’ ny vohitra manodidina an’ i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
- 17 Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
- 18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
- 19 Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
- 20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
- 21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny tranomaizina haka ny Apostoly.
- 22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
- 23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
- 24 Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.
- 25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ ny tempoly ka mampianatra ny olona.
- 26 Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
- 27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
- 28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.
- 29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
- 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesosy, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.
- 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.
- 32 Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masìna koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.
- 33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
- 34 Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
- 35 Dia hoy izy tamin’ ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo.
- 36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
- 37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
- 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
- 39 fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
- 40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
- 41 Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
- 42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano izy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.