-
WORD Research this...Acts 7
- 1 Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
- 2 fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’ i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
- 3 ka nanao taminy hoe: Mialà amin’ ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ ny tany izay hasehoko anao.
- 4 Dia niala tamin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran’ Andriamanitra niala teo izy hankany amin’ ny tany izay onenanareo ankehitriny.
- 5 Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
- 6 Ary nolazain’ Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin’ ny tanin’ ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
- 7 Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin’ ity tany ity.
- 8 Ary nomeny fanekena amin’ ny famorana izy. Ary dia niteraka an’ isaka izy ka namora azy tamin’ ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin’ ny folo lahy.
- 9 Ary nialona an’ i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
- 10 ka nahafaka azy tamin’ ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin’ izay rehetra tao an-dapany.
- 11 Ary nisy mosary eran’ i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
- 12 Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin’ ny voalohany.
- 13 Ary tamin’ ny fanindroany dia fantatr’ izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr’ i Farao koa ny havan’ i Josefa.
- 14 Ary Josefa naniraka ka nampaka an’ i Jakoba rainy mbamin’ ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
- 15 Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
- 16 ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin’ ny fasana izay novidin’ i Abrahama vola tamin’ ny zanak’ i Hamora tany Sekema.
- 17 Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
- 18 mandra-pitsangan’ ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
- 19 Ary izy nanao hafetsena tamin’ ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
- 20 Tamin’ izany andro izany no nahaterahan’ i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’ Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ ny rainy.
- 21 Fa rehefa nariana izy, dia nalain’ ny zanakavavin’ i Farao ka notezainy ho zanany.
- 22 Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ ny Egyptiana, ary nahery tamin’ ny teniny sy ny asany izy.
- 23 Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak’ isiraely, rahalahiny
- 24 Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
- 25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’ Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
- 26 Ary nony ampitson’ iny dia niseho tamin’ ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
- 27 Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
- 28 Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana omaly?
- 29 Ary tamin’ izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin’ ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
- 30 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin’ ny voaroy.
- 31 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon’ ny Tompo nanao hoe:
- 32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
- 33 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin’ ny tongotrao; fa masìna io tany ijanonanao io.
- 34 Hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao.
- 35 Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? kanjo izy ihany no nirahin’ Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ ny tanan’ ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin’ ny voaroy.
- 36 Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
- 37 Izany no Mosesy izay nilaza tamin’ ny Zanak’ isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan’ Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy.
- 38 Izy ilay teo amin’ ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
- 39 Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an’ i Egypta ny fony,
- 40 ka hoy izy tamin’ i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
- 41 Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’ izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ ny sampy ka niravoravo tamin’ ny asan’ ny tànany.
- 42 Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin’ ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak’ isiraely?
- 43 Tsia, fa nobetainareo ny tranolain’ i Moloka sy ny kintan’ ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr’ i Babylona Aho.
- 44 Ny trano-lain’ ny Vavolombelona dia teo amin’ ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin’ izay niteny tamin’ i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
- 45 Izany koa dia noraisin’ ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin’ i Josoa tamin’ ny nahazoany ny tanin’ ny firenena izay noroahin’ Andriamanitra hiala teo anoloan’ ny razantsika hatramin’ ny andron’ i Davida;
- 46 izy nahita fitia anatrehan’ Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
- 47 Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
- 48 Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’ izay nataon-tànan’ olona; araka ny nolazain’ ny mpaminany hoe:
- 49 Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
- 50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?
- 51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masìna mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa.
- 52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’ ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
- 53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ ny nandaharan’ anjely azy, nefa tsy nankato izany.
- 54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
- 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’ Andriamanitra,
- 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra.
- 57 Ary ny olona niantso tamin’ ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
- 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan’ ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
- 59 Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
- 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.