-
WORD Research this...Deuteronomy 12
- 1 Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.
- 2 Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin’ ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
- 3 Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin’ ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin’ izany tany izany intsony ny anarany.
- 4 Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
- 5 Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
- 6 Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
- 7 ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
- 8 Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
- 9 Fa ianareo tsy mbola tonga any amin’ ny fitsaharana sy ny lova izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
- 10 Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
- 11 dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
- 12 Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
- 13 Mitandrema mba tsy haterinao eny amin’ izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
- 14 fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
- 15 Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
- 16 Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.
- 17 Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
- 18 Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.
- 19 Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin’ ny andro rehetra hiainanao amin’ ny taninao.
- 20 Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.
- 21 Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
- 22 Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
- 23 Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ ny hena ianao.
- 24 Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano izy;
- 25 eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.
- 26 Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah.
- 27 Ary atero eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran’ ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
- 28 Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
- 29 Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin’ ny taniny,
- 30 dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
- 31 Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.