-
WORD Research this...Deuteronomy 1
- 1 Izao no teny izay nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra tany an-dafin’ i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Sofa, tanelanelan’ i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
- 2 (lalana Iraika ambin’ ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seïra no aleha.)
- 3 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahefa-polo dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy holazainy aminy,
- 4 rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
- 5 Tany an-dafin’ i Jordana, dia tany amin’ ny tany Moaba, no nanombohan’ i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
- 6 Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin’ ny tendrombohitra ity;
- 7 mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
- 8 Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
- 9 Ary niteny taminareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
- 10 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra ianareo izao.
- 11 (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
- 12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
- 13 Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin’ ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
- 14 Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
- 15 Ary nalaiko ny lohan’ ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ ny firenenareo.
- 16 Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin’ ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
- 17 Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
- 18 Dia nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ny amin’ ny zavatra rehetra izay hataonareo.
- 19 Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin’ ny lalana mankany amin’ ny tany havoan’ ny Amorita, araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
- 20 Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin’ ny tany havoan’ ny Amonita, izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
- 21 indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
- 22 Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
- 23 Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin’ ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
- 24 ary niainga ireo ka niakatra tany amin’ ny tany havoana, dia tonga tao amin’ ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
- 25 dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
- 26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
- 27 Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan’ i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan’ ny Amorita handringanana antsika.
- 28 Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
- 29 Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
- 30 Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
- 31 ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ ny olona ny zanany, dia teny amin’ ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ ity tany ity.
- 32 Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
- 33 Izay nandeha tamin’ ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
- 34 Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
- 35 Tsy hisy olona mihitsy amin’ izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
- 36 afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah izy.
- 37 Ary izaho koa dia notezeran’ i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
- 38 fa Josoa, zanak’ i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak’ Isiraely ny tany.
- 39 Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’ izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
- 40 Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
- 41 Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
- 42 Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
- 43 Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’ i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
- 44 Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’ izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
- 45 Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
- 46 Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.