-
WORD Research this...Deuteronomy 32
- 1 Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ ny vavako!
- 2 Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.
- 3 Fa ny anaran’ i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan’ Andriamanitsika.
- 4 Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
- 5 Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
- 6 Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
- 7 Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
- 8 Fony nomen’ ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’ olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ ireo firenena Araka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 9 Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
- 10 Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
- 11 Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin’ ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin’ ny elany,
- 12 Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
- 13 Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
- 14 Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
- 15 Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
- 16 Nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny hafa Izy; Ary tamin’ ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
- 17 Namono zavatra ho fanatitra ho an’ ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ ny razanareo.
- 18 Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
- 19 Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
- 20 Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
- 21 Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.
- 22 Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
- 23 Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
- 24 Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.
- 25 Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
- 26 Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,
- 27 Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
- 28 Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
- 29 Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
- 30 Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
- 31 Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
- 32 Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’ i Sodoma Ary avy ao amin’ ny sahan’ i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
- 33 Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ ny dragona, Ary poizina loza avy amin’ ny bibilava.
- 34 Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
- 35 Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
- 36 Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
- 37 Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
- 38 Izay nihinana ny saboran’ ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
- 39 Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.
- 40 Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
- 41 Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
- 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran’ ny voavono sy ny babo Mbamin’ ny lohan’ izay lehibe amin’ ny fahavalo.
- 43 Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
- 44 Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin’ izany fihirana izany teo anatrehan’ ny olona, dia izy sy Hosea, zanak’ i Nona.
- 45 Ary nony efa tapitra voalazan’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
- 46 dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
- 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
- 48 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
- 49 Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ ny tany Moaba tandrifin’ i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’ Isiraely ho lovany.
- 50 Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,
- 51 satria nivadika tamiko teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo tao amin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo.
- 52 Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.