-
WORD Research this...Esther 1
- 1 Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
- 2 dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
- 3 tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
- 4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
- 5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;
- 6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
- 7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
- 8 Ary ny nisotroan’ ny olona dia araka ny tenin’ andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian’ ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan’ ny olona araka izay sitrapony avy.
- 9 Ary Vasty, vadin’ ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an’ ny vehivavy koa tao amin’ ny tranom-panjakana, izay an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
- 10 Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
- 11 ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
- 12 Fa Vasty, vadin’ ny mpanjaka, nandà ny tenin’ ny mpanjaka nentin’ ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
- 13 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ ny mpanjaka teo anatrehan’ izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
- 14 ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin’ i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin’ ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ ny fitoerana aloha teo amin’ ny fanjakana):
- 15 Ahoana no hanaovana an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin’ ny tsindranolahy izy?
- 16 Dia namaly Memokana teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin’ ny mpanjaka ihany no nanaovan’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin’ ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka;
- 17 fa hiely any amin’ ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’ i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
- 18 Ary na dia amin’ izao andro izao aza ny andriambavin’ i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ ny mpanapaka rehetra voatendrin’ ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
- 19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
- 20 Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
- 21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’ i Memokana ny mpanjaka,
- 22 ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.