-
WORD Research this...Esther 2
- 1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an’ i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
- 2 Ka dia hoy ireo zatovon’ ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
- 3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
- 4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’ i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
- 5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
- 6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ ny babo izay nentina niaraka tamin’ i Jekonia, mpanjakan’ ny Joda, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona.
- 7 Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
- 8 Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
- 9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
- 10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
- 11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ ny kianjan’ ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran’ i Estera sy izay anaovana azy.
- 12 Ary nony tonga ny andro hidiran’ ny zazavavy tsirairay isan’ andro tany amin’ i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’ izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ ny vehivavy),
- 13 koa nony hiditra ao amin’ ny mpanjaka ny zazavavy tamin’ izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin’ ny tranom-behivavy ho ao an-tranon’ ny mpanjaka.
- 14 Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
- 15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron’ i Estera, zanakavavin’ i Abihaila, rahalahin-drain’ i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason’ ny olona rehetra izay nijery azy.
- 16 Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
- 17 Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
- 18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan’ i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an’ ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
- 19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
- 20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
- 21 Tamin’ izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka izy.
- 22 Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
- 23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.