-
WORD Research this...Exodus 25
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
- 3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
- 4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
- 5 sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
- 6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
- 7 sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
- 8 Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
- 9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
- 10 Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
- 11 Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
- 12 Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray koa.
- 13 Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
- 14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ ny vava volamena, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
- 15 Eo amin’ ny vava volan’ ny fiara no hitoeran’ ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
- 16 Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
- 17 Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
- 18 Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
- 19 Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin’ ny sakany roa.
- 20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
- 21 Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
- 22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- 23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
- 24 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
- 25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
- 26 Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra izay eo amin’ ny tongony efatra ireo:
- 27 eo akaikin’ ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
- 28 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
- 29 Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
- 30 Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
- 31 Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
- 32 Ary hisy sampany enina amin’ ny ankilany roa: dia sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray koa,
- 33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ ny sampany enina izay amin’ ny fanaovan-jiro.
- 34 Ary eo amin’ ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
- 35 dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
- 36 Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin’ ny volamena tsara izy rehetra.
- 37 Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
- 38 Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
- 39 Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ ireny fanaka rehetra ireny.
- 40 Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.