-
WORD Research this...Exodus 29
- 1 Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
- 2 ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
- 3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ ny harona; ary ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
- 4 Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy
- 5 Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
- 6 ary ny hamama dia ataovy eo amin’ ny lohany, ary ny diadema masìna dia ataovy eo amin’ ny hamama.
- 7 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.
- 8 Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
- 9 Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
- 10 Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;
- 11 dia vonoy eo anatrehan’ i Jehovah ny vantotr’ ombilahy, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
- 12 ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;
- 13 ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;
- 14 fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
- 15 Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
- 16 dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara;
- 17 ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin’ ny voarasa sy ny lohany;
- 18 ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
- 19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
- 20 dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara
- 21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.
- 22 Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
- 23 ary manala iray amin’ ny mofo sy iray amin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ ny mofo manify izay eo amin’ ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’ i Jehovah;
- 24 ary ataovy eo an-tànan’ i Arona sy eo an-tànan’ ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 25 Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.
- 26 Ary alao ny tratran’ ny ondrilahy fanokanana an’ i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
- 27 Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.
- 28 Ary ho anjara mandrakizay ho an’ i Arona sy ho an’ ny taranany avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah.
- 29 Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
- 30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin’ ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna.
- 31 Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin’ izay fitoerana masìna ny henany
- 32 Ary hohanin’ i Arona sy ny zanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny henan’ ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ ny harona.
- 33 Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
- 34 Ary raha misy sisa tsy lany amin’ ny henan’ ny fanatitra fanokanana, na amin’ ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masìna.
- 35 Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
- 36 Ary vantotr’ ombilahy iray no haterinao isan’ andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
- 37 Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
- 38 Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
- 39 (ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
- 40 ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
- 41 Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
- 42 Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao
- 43 Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.
- 44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
- 45 Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
- 46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.