-
WORD Research this...Exodus 39
- 1 Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 2 Ary nanao ny efoda tamin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
- 3 Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ ny mpanenona mahay.
- 4 Ary nataony nisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambanana azy.
- 5 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely.
- 7 Ary nataony teo amin’ ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 8 Ary nanao ny saron-tratra tamin’ ny asan’ ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
- 9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
- 10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
- 11 ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
- 12 ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
- 13 ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
- 14 Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase ho an’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
- 15 Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin’ ny saron-tratra izy.
- 16 Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
- 17 Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ ny vava vola roa izay amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra.
- 18 Ary ny lanin’ ny tady roa dia nataony teo amin’ ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
- 19 Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
- 20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ ny soroka roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
- 21 Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ ny saron-tratra tamin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 22 Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan’ ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
- 23 Ary ny vozon’ ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
- 24 Ary teo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
- 25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ ny ampongabendanitra tamin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ ny ampongabendanitra):
- 26 dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ ny mpanenona, ho an’ i Arona sy ny zanany.
- 28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
- 29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 30 Ary ny takelaka ho eo amin’ ny diadema masìna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
- 31 Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin’ ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 32 Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 33 Dia nentiny teo amin’ i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
- 34 ary ny firakotra hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
- 35 ary ny fiaran’ ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
- 36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
- 37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
- 38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay,
- 39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
- 40 ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana,
- 41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
- 42 Araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ ny Zanak’ Isiraely ny asa rehetra.
- 43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.