-
WORD Research this...Ezekiel 24
- 1 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, soratinao ny anaran’ ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’ i Babylona miantomboka mamely an’ i Jerosalema amin’ izao andro anio izao.
- 3 Ary milazà fanoharana amin’ ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
- 4 ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
- 5 Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.
- 6 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
- 7 Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ ny tany hosaronan’ ny vovoka izy.
- 8 Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
- 9 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
- 10 Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.
- 11 Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin’ ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
- 12 Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin’ ny afo ny harafesiny.
- 13 Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin’ ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
- 14 Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
- 15 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 16 Ry zanak’ olona, indro, efa hesoriko amin’ ny loza indray mamely monja ilay tian’ ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
- 17 Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona.
- 18 Ary nony maraina dia niteny tamin’ ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
- 19 Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’ izao ataonao izao?
- 20 Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 21 Lazao amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masìna, izay reharehan’ ny herinareo, dia ilay tian’ ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
- 22 Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona;
- 23 ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
- 24 Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
- 25 Ary ianao, ry zanak’ olona, amin’ ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian’ ny voninahiny, ilay tian’ ny masony sy ilay tian’ ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
- 26 eny, amin’ izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
- 27 amin’ izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ ny an’ ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.