-
WORD Research this...Ezekiel 27
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Hianao, ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Tyro,
- 3 ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
- 4 Ao amin’ ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
- 5 Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
- 6 Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
- 7 Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Elisa no eloelonao.
- 8 Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
- 9 Ny zokiolon’ i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin’ ny ranomasina mbamin’ ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
- 10 Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
- 11 Ny terak’ i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
- 12 Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben’ ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
- 13 Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
- 14 Ny terak’ i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
- 15 Ny terak’ i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
- 16 Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
- 17 Joda sy ny tanin’ ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
- 18 Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny taozavatrao, dia ny haben’ ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ ondry fotsy izy.
- 19 Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.
- 20 Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
- 21 Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
- 22 Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
- 23 Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
- 24 Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.
- 25 Ny sambon’ i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin’ ny ranomasina.
- 26 Nentin’ ny mpivoinao teny amin’ ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin’ ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
- 27 Ny harenao sy ny vidin’ entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ ny ranomasina tamin’ ny andro nandravana anao.
- 28 Noho ny fidradradradran’ ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
- 29 Ary samy midìna miala amin’ ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
- 30 Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin’ ny lohany ary mihosinkosin-davenona;
- 31 Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikìna lamba fisaonana ary mitomany anao amin’ ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
- 32 Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an’ i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan’ ny ranomasina?
- 33 Raha nivoaka avy amin’ ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin’ ny haben’ ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan’ ny tany ianao.
- 34 Tamin’ ny andro nandravan’ ny ranomasina anao ho any amin’ ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
- 35 Talanjona anao ny mponina rehetra amin’ ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
- 36 Misitrisitra anao ny mpandranto amin’ ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.