-
WORD Research this...Ezekiel 33
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
- 3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
- 4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
- 5 Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
- 6 Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
- 7 Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
- 8 Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
- 9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
- 10 Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
- 11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
- 12 Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
- 13 Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
- 14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
- 15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
- 16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
- 17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
- 18 Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
- 19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
- 20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
- 21 Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
- 22 Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
- 23 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 24 Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
- 25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
- 26 Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
- 27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
- 28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
- 29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
- 30 Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
- 31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
- 32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
- 33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.