-
WORD Research this...Ezekiel 39
- 1 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania ny hamelezana an’ i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
- 2 Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
- 3 Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipìkanao.
- 4 Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
- 5 Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
- 6 Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
- 7 Ary ny anarako masìna dia hataoko fantatra ao amin’ ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masìna; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masìna ao amin’ ny Isiraely.
- 8 Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
- 9 Ary hivoaka ny mponina ao amin’ ny tanànan’ ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
- 10 fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an’ ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
- 11 Ary amin’ izany andro izany dia homeko tany eo amin’ ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an’ i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan’ ireo olona maroben’ i Goga.
- 12 Ary fito volana mipaka no handevenan’ ny taranak’ Isirady azy, hanadiovany ny tany.
- 13 Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin’ ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
- 14 Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin’ ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin’ ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
- 15 ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan’ olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ ny mpandevina azy ao amin’ ny Lohasahan’ ireo maro ben’ i Goga.
- 16 Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.
- 17 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia izao na lazain’ i Jehovah Tompo: Ataovy amin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ ny manodidina ho amin’ ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
- 18 Ny nofon’ ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran’ ireo mpanjakan’ ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak’ ondry sy osilahy ary vantotr’ ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
- 19 Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin’ ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
- 20 Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin’ ny miaramila rehetra eo amin’ ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
- 21 Ary hasehoko any amin’ ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan’ ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
- 22 Ary ho fantatry ny taranak’ Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr’ iny ka hatramin’ ny ho avy rehetra.
- 23 Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak’ Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
- 24 Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
- 25 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’ Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ ny anarako masìna Aho.
- 26 Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin’ ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,
- 27 rehefa ampodiko avy any amin’ ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalony; ary hiseho ho masìna eo imason’ ny jentilisa Aho amin’ ny ataoko amin’ ireny;
- 28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin’ ny ampandehanako azy ho babo any amin’ ny firenena sy amin’ ny anangonako azy ho any amin’ ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
- 29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ ny taranak’ Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.