-
WORD Research this...Ezekiel 40
- 1 Tamin’ ny taona fahadimy amby roa-polo taorian’ ny namaboana antsika, tamin’ ny niandohan’ ny taona, dia tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana, tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo taorian’ ny namelezana ny tanàna, tamin’ izany andro izany dia tamiko ny tànan’ i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
- 2 Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
- 3 Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
- 4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
- 5 Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin’ ny ampiantany, ka eran’ ny volotara, ary ny hahavony dia eran’ ny volotara koa.
- 6 Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.
- 7 Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.
- 8 Dia norefesiny koa ny lavarangan’ ny vavahady, ka eran’ ny volotara koa.
- 9 Ary norefesiny ny lavarangan’ ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan’ ny vavahady dia teo anatiny.
- 10 Ary ny trano fiambenana teo amin’ ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin’ ny lafiny roa.
- 11 Ary norefesiny koa ny haben’ ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan’ ny vavahady dia telo ambin’ ny folo hakiho.
- 12 Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
- 13 Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin’ ny tafon’ ny trano fiambenana iray ka hatramin’ ny tafon’ ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
- 14 Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin’ ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
- 15 Ary hatreo anoloan’ ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
- 16 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.
- 17 Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.
- 18 Ary ny lampivato dia teo anilan’ ny vavahady, sady nifanerana tamin’ ny lavan’ ny vavahady: lampivato ambany io.
- 19 Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
- 20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ ny vavahadin’ ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
- 21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin’ ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
- 22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin’ ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin’ ny ireo amin’ ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin’ ireo.
- 23 Ary nisy vavahadin’ ny kianja anatiny, tandrifin’ ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho.
- 24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
- 25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
- 26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin’ ireo; ary nisy sarin’ ny hazo rofia iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ ny lafiny iray teo amin’ ny tongo-batony.
- 27 Ary nisy vavahady fidirana amin’ ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho koa.
- 28 Ary nentiny niditra tamin’ ny vavahady atsimo ho any amin’ ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
- 29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
- 30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
- 31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
- 32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin’ ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
- 33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
- 34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
- 35 Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
- 36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
- 37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
- 38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
- 39 Ary teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin’ ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
- 40 Ary teo anilany eo ivelany amin’ ny fiakarana hiditra eo amin’ ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
- 41 Nisy latabatra efatra teo amin’ ny ilany iray amin’ ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin’ ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
- 42 Ary nisy latabatra efatra natao tamin’ ny vato voapaika ho amin’ ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
- 43 Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin’ ny rindrina; ary natao teo ambonin’ ny latabatra ny hena fanatitra.
- 44 Ary teo ivelan’ ny vavahady anatiny, teo anilan’ ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an’ ny mpihira teo amin’ ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan’ ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
- 45 Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin’ ny trano.
- 46 Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny alitara, ireo dia taranak’ i Zadoka, izay isan’ ny taranak’ i Levy, ka manatona an’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
- 47 Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan’ ny trano.
- 48 Ary nentiny ho any amin’ ny lavarangan’ ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin’ ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray, ary ny sakan’ ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
- 49 Roa-polo hakiho ny lavan’ ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin’ ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan’ ny tolana, iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray tamin’ ny lafiny iray koa.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.