-
WORD Research this...Ezekiel 44
- 1 Dia nentiny niverina aho tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ivelany amin’ ny fitoerana masìna, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
- 2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’ olona; fa efa nidiran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
- 3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
- 4 Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
- 5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak’ olona, mandiniha tsara, ka mijere amin’ ny masonao, ary aoka hohenoin’ ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ ny didy sy ny lalàna rehetra amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin’ ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ ny fitoerana masìna.
- 6 Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
- 7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
- 8 ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin’ ny fitoerana masìna hisolo anareo.
- 9 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ ny zanak’ Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ ny fitoerako masìna.
- 10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
- 11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
- 12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
- 13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
- 14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
- 15 Fa ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna, tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
- 16 Eny, izy no hiditra ao amin’ ny fitoerako masìna sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
- 17 Ary raha miditra any amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon’ ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin’ ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
- 18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
- 19 Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.
- 20 Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
- 21 Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
- 22 Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin’ ny taranak’ Isiraely, na izay novinadin’ ny mpisorona efa maty no hovadiny.
- 23 Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
- 24 Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
- 25 Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
- 26 Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
- 27 Ary amin’ ny andro hidirany ao amin’ ny fitoerana masìna, dia any amin’ ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
- 28 Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
- 29 Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.
- 30 Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
- 31 Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin’ ny mpisorona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.