-
WORD Research this...Genesis 27
- 1 Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an’ i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
- 2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
- 3 koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
- 4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
- 5 Ary Rebeka nandre an’ Isaka niteny tamin’ i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
- 6 Ary Rebeka niteny tamin’ i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin’ i Esao rahalahinao nanao hoe:
- 7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan’ i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
- 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’ izay asaiko ataonao.
- 9 Mankanesa kely any amin’ ny ondry aman’ osy, ka analao zanak’ osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an’ ny rainao araka ilay tiany izany;
- 10 ary dia ho entinao any amin’ ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
- 11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
- 12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
- 13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
- 14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ ny rainy.
- 15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian’ i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an’ i Jakoba zanany faralahy.
- 16 Ary ny hoditry ny zanak’ osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin’ ny vozony;
- 17 dia natolony teo an-tànan’ i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
- 18 Ary Jakoba nankany amin’ ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
- 19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
- 20 Ary hoy Isaka tamin’ ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
- 21 Ary hoy Isaka tamin’ i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
- 22 Ary Jakoba nanatona an’ Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’ i Jakoba, fa ny tanana dia tànan’ i Esao.
- 23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan’ i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
- 24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
- 25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
- 26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
- 27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon’ ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon’ ny zanako. Dia tahaka ny fofon’ ny saha izay notahin’ i Jehovah.
- 28 Ary hanomezan’ Andriamanitra anao anie ny andon’ ny lanitra sy ny tsiron’ ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
- 29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
- 30 Ary rehefa vita ny nitsofan’ Isaka rano an’ i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan’ Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
- 31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin’ ny rainy; ary hoy izy tamin’ ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ ny hazan’ ny zanany, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
- 32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
- 33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
- 34 Raha vao ren’ i Esao ny tenin’ ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
- 35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
- 36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
- 37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin’ i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
- 38 Ary hoy Esao tamin’ ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
- 39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin’ ny tsiron’ ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin’ ny andon’ ny lanitra avy any ambony;
- 40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
- 41 Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
- 42 Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin’ i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’ i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
- 43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin’ i Labana anadahiko.
- 44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao,
- 45 eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
- 46 Ary hoy Rebeka tamin’ Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ ny Hetita; raha maka vady amin’ ny zanakavavin’ ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko?
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.