-
WORD Research this...Genesis 32
- 1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ ny fonenany.
- 2 Ary Jakoba nizotra tamin’ ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsena azy.
- 3 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
- 4 Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’ i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’ i Edoma.
- 5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Esao tompoko: Izao no tenin’ i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin’ i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
- 6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman’ osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
- 7 Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
- 8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby ary ny rameva;
- 9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
- 10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
- 11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
- 12 O vonjeo aho amin’ ny tanan’ ny rahalahiko, dia amin’ ny tànan’ i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ ny vadiko aman-janako izy.
- 13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
- 14 Dia nitoetra teo izy tamin’ iny alina iny; ary naka tamin’ izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an’ i Esao rahalahiny,
- 15 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
- 16 ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr’ ombivavy efa-polo sy vantotr’ ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
- 17 Dia natolony teo an-tànan’ ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin’ ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin’ ny isan-toko.
- 18 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’ iza ianao? ary hankaiza moa? ary an’ iza ireo alohanao?
- 19 dia lazaonao hoe: An’ i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
- 20 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin’ i Esao, raha hitanareo izy.
- 21 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
- 22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
- 23 Dia nitsangana tamin’ iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin’ ny folo, dia nita tamin’ ny fitàna tao Jaboka izy.
- 24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
- 25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
- 26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
- 27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
- 28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
- 29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
- 30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
- 31 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
- 32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
- 33 Izany no tsy ihinanan’ ny Zanak’ Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen’ i Jakoba teo amin’ ny ozatry ny atodiakanga Izy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.