-
WORD Research this...Hebrews 11
- 1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
- 2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
- 3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
- 4 Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
- 5 Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’ Andriamanitra; fa talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy.
- 6 Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
- 7 Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
- 8 Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
- 9 Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin’ isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
- 10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
- 11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’ anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
- 12 Koa dia avy tamin’ ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ ny maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
- 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
- 14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
- 15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
- 16 Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.
- 17 Finoana no nanateran i Abrahama an’ isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
- 18 dia ilay nilazana hoe: “Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao”.
- 19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.
- 20 Finoana no nitsofan’ isaka rano an’ i Jakoba sy Esao ny amin’ ny zavatra ho avy.
- 21 Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny.
- 22 Finoana no nilazan’ i Josefa ny fialan’ ny Zanak’ isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ ny taolany.
- 23 Finoana no nanafenan’ ny ray aman-drenin’ i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka.
- 24 Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy,―
- 25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana,
- 26 nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
- 27 Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
- 28 Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
- 29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
- 30 Finoana no nampirodana ny màndan’ i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
- 31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy.
- 32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
- 33 izay nandresy fanjakana tamin’ ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ ny liona,
- 34 namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa.
- 35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
- 36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
- 37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana
- 38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’ tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
- 39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
- 40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.