-
WORD Research this...Isaiah 41
- 1 Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
- 2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
- 3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.
- 4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
- 5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
- 6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
- 7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
- 8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
- 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ ny faran’ ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
- 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
- 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
- 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
- 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
- 14 Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
- 15 Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
- 16 Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.
- 17 Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
- 18 Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
- 19 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,
- 20 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
- 21 Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’ i Jakoba.
- 22 Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
- 23 Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
- 24 Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
- 25 Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
- 26 Iza no nitory izany hatramin’ ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
- 27 Izaho no voalohany Izay milaza amin’ i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’ i Jerosalema.
- 28 Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
- 29 Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny an-idina.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.