-
WORD Research this...Isaiah 44
- 1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
- 2 Izao no lazain’ i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko;
- 3 Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
- 4 Dia haniry eny amin’ ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ ny rano mandeha ireny.
- 5 Ny anankiray hilaza hoe: An’ i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ ny tànany hoe: An’ i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.
- 6 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
- 7 Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
- 8 Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
- 9 Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
- 10 Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
- 11 Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
- 12 Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
- 13 Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ ny fitsipihana; Manamboatra azy amin’ ny vankona izy, dia manamarika azy amin’ ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik’ olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin’ ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
- 14 Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an’ ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin’ ny ranonorana izany;
- 15 Ary dia anaovan’ ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
- 16 Ny sasany dorany amin’ ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
- 17 Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
- 18 Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
- 19 Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin’ ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan’ izay vatan-kazo?
- 20 Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
- 21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
- 22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
- 23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
- 24 Izao no lazain’ i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
- 25 Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
- 26 Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
- 27 Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
- 28 Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.