-
WORD Research this...Isaiah 5
- 1 Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
- 2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
- 3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
- 4 Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
- 5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
- 6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
- 7 Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
- 8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ ny tany ianareo!
- 9 Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
- 10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran’ ny homera.
- 11 Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
- 12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan’ i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon’ ny tanany tsy mba hitany.
- 13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main’ ny hetaheta.
- 14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an’ i Jerosalema; Ary any no hivarinan’ ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin’ izay mifalifaly ao aminy;
- 15 Ary ny zanak’ olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason’ ny miandranandrana dia haidina.
- 16 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
- 17 Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
- 18 Lozan’ izay mitari-keloka amin’ ny kofehin’ ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin’ ny mahazakan-tsariety,
- 19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
- 20 Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
- 21 Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
- 22 Lozan’ izay fatratra nefa amin’ ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin’ ny fampiharoharoana toaka ihany!
- 23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ ny marina!
- 24 Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
- 25 Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
- 26 Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
- 27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
- 28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
- 29 Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
- 30 Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.