-
WORD Research this...Jeremiah 29
- 1 Ary izao no fitenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ ny sisa amin’ ny loholona voababo sy ho amin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin’ i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
- 2 (rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
- 3 dia ilay teny nampitondrainy an’ i Elasa, zanak’ i Safana, sy Gemaria, zanak’ i Hilkia, izay nirahin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona, ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao hoe:
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
- 5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
- 6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
- 7 Ary katsaho izay hiadanan’ ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’ i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
- 8 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin’ ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
- 9 Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
- 10 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.
- 11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ ny farany.
- 12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
- 13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ ny fonareo rehetra.
- 14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
- 15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
- 16 Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny amin’ ny vahoaka rehetra izay monina amin’ ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
- 17 izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
- 18 Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy
- 19 noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
- 20 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
- 21 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ i Ahaba, zanak’ i Kolaia, sy ny amin’ i Zedekia, zanak’ i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
- 22 Ary izy roa lahy dia hataon’ ny babo rehetra amin’ ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran’ ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny afo, anie ianao,
- 23 noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin’ ny vadin’ ny namany ary ny nitenenany lainga tamin’ ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
- 24 Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
- 25 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin’ ny anaranao ho amin’ ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin’ i Zefania mpisorona, zanak’ i Mahaseia, ary amin’ ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
- 26 Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon’ i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
- 27 koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an’ i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
- 28 Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
- 29 Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan’ i Jeremia mpaminany.
- 30 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
- 31 Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga
- 32 dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.