-
WORD Research this...Jeremiah 3
- 1 Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
- 2 Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
- 3 Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin’ ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
- 4 Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin’ izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
- 5 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin’ ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
- 6 Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
- 7 Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
- 8 Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
- 9 Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.
- 10 Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
- 11 Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
- 12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
- 13 Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin’ i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin’ ny hafa ianao. Teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
- 14 Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
- 15 Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin’ ny fahalalana sy ny fahendrena.
- 16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ ny tany ianareo, dia amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
- 17 Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
- 18 Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
- 19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin’ ny fanarahana Ahy.
- 20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah.
- 21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ ny Zanak’ Isiraely; Fa nivilivily tamin’ ny nalehany izy ary nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny.
- 22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
- 23 Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
- 24 Fa lanin’ ilay mampahamenatra hatramin’ ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ ny razanay, dia ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
- 25 Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.