-
WORD Research this...Jeremiah 36
- 1 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
- 2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin’ izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ ny andro nilazako taminao dia hatramin’ ny andron’ i Josia ka mandraka androany.
- 3 Angamba hoheverin’ ny taranak’ i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
- 4 Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
- 5 Ary Jeremia nandidy an’ i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’ i Jehovah;
- 6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan’ ny vahoaka ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro fifadiankanina ny tenin’ i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ ny vavako, ary vakio eo anatrehan’ ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ ny tanànany koa.
- 7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ity firenena ity.
- 8 Ary Baroka, zanak’ i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taratasy teo an-tranon’ i Jehovah.
- 9 Fa tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona fahadimy manjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan’ i Jehovah izy tamin’ ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ ny tanànan’ ny Joda.
- 10 Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
- 11 Ary nony ren’ i Mikaia, zanak’ i Gemaria, zanak’ i Safana, ny tenin’ i Jehovah rehetra tamin’ ny boky,
- 12 dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.
- 13 Dia nambaran’ i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ ny namakian’ i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ ny vahoaka.
- 14 Dia nirahin’ ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak’ i Netania, zanak’ i Selemia, zanak’ i Kosy, ho any amin’ i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin’ i Baroka, zanak’ i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
- 15 Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’ i Baroka teo anatrehany.
- 16 Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’ i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
- 17 Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin’ ny vavany.
- 18 Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin’ ny ranomainty.
- 19 Dia hoy ny mpanapaka tamin’ i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
- 20 Dia niditra tao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan’ ny mpanjaka ny teny rehetra.
- 21 Ary nirahin’ ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin’ i Jehody teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
- 22 Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
- 23 Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin’ ny mpanjaka tamin’ ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ ny afo azy rehetra teo am-patana.
- 24 Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
- 25 Ary na dia efa nifona tamin’ ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
- 26 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Jeremeia, zanak’ andriana, sy Seraia, zanak’ i Azriela, ary Selemia, zanak’ i Abdela, hisambotra an’ i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin’ i Jehovah izy roa lahy.
- 27 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, taorian’ ny nandoroan’ ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’ i Baroka avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, nanao hoe:
- 28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda.
- 29 Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
- 30 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ ny hainandro amin’ ny antoandro ary ny fanala amin’ ny alina.
- 31 Ary hampijaliko izy mbamin’ ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin’ ny mponina any Jerosalema ary amin’ ny lehilahy amin’ ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
- 32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an’ i Baroka mpanoratra, zanak’ i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin’ ilay horonan-taratasy nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.