-
WORD Research this...Jeremiah 4
- 1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
- 2 Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
- 3 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin’ ny tsilo.
- 4 Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
- 5 Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
- 6 Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
- 7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
- 8 Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
- 9 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
- 10 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin’ ny aina ny sabatra.
- 11 Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
- 12 Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.
- 13 Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
- 14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
- 15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
- 16 Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
- 17 Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
- 18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ ny ainao.
- 19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
- 20 Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
- 21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
- 22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
- 23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
- 24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
- 25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
- 26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
- 27 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
- 28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
- 29 Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin’ ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
- 30 Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
- 31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.