-
WORD Research this...Jeremiah 7
- 1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
- 2 Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
- 3 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.
- 4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.
- 5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany ianareo,
- 6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
- 7 Dia hamponeniko amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin’ ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ ny ela ka ho mandrakizay.
- 8 He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
- 9 Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
- 10 Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
- 11 Moa ataonareo ho zohy fieren’ ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
- 12 Fa mandehana ianareo any amin’ ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ ny Isiraely oloko.
- 13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
- 14 Koa dia ho toy ny nataoko tamin’ i Silo no hataoko amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin’ ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
- 15 Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
- 16 Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
- 17 Tsy hitanao va ny ataon’ ireo any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema?
- 18 Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
- 19 Moa Izaho va no ampahasosorin’ ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
- 20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
- 21 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman’ ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
- 22 Fa tsy ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin’ ny razanareo na nandidiako azy tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
- 23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
- 24 Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
- 25 Hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razanareo avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan’ andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
- 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
- 27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
- 28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon’ i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ ny vavany.
- 29 Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin’ i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
- 30 Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
- 31 Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
- 32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
- 33 Ary ny fatin’ ity firenena ity dia ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
- 34 Dia hatsahatro any an-tanànan’ ny Joda sy eny an-dalamben’ i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.