-
WORD Research this...Joshua 21
- 1 Ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita dia nanatona an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely
- 2 ka niteny taminy tao Silo tao amin’ ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an’ i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an’ ny biby fiompinay.
- 3 Dia avy tamin’ ny lovany no nanomezan’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’ i Jehovah.
- 4 Dia nahazo loka ny fokon’ ny Kehatita; ary ny loka azon’ ny taranak’ i Arona mpisorona isan’ ny Levita dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Joda sy ny firenen’ i Simeona ary ny firenen’ i Benjamina.
- 5 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ i Efraima sy ny firenen’ i Dana ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
- 6 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Gersona dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase any Basana.
- 7 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin’ ny folo, avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
- 8 Dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita tamin’ ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy.
- 9 Dia nomeny avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,
- 10 izay azon’ ny taranak’ i Arona, isam-pokon’ ny taranak’ i Kehata, amin’ ny taranak’ i Levy; fa azy ny loka voalohany.
- 11 Dia nomeny azy ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany), any amin’ ny tany havoan’ i Joda, mbamin’ ny tany manodidina azy.
- 12 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
- 13 Dia nomeny ny taranak’ i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
- 14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
- 15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
- 16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
- 17 ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
- 18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
- 19 Ny tanàna rehetra an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
- 20 Ary ny amin’ ny taranak’ i Rehata, dia ny Levita sisa tamin’ ny taranak’ i Kehata, ny tanàna azony tamin’ ny filokana dia avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
- 21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
- 22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
- 23 ary avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
- 24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
- 25 ary avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
- 26 Ny tanàna rehetra azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
- 27 Ary izao no azon’ ny taranak’ i Gersona isan’ ny fokon’ ny Levita; avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
- 28 ary avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
- 29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
- 30 ary avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
- 31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
- 32 ary avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy, dia tanàna telo.
- 33 Ny tanàna rehetra an’ ny Gersonita isam-potony dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
- 34 Ary izao no azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay Levita sisa: avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
- 35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
- 36 ary avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
- 37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
- 38 ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
- 39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
- 40 Ny tanàna rehetra an’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin’ ny fokon’ ny Levita, dia tanàna roa ambin’ ny folo no loka azony.
- 41 Ny tanàna rehetra an’ ny Levita teo anatin’ ny lovan’ ny Zanak’ Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
- 42 Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
- 43 Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
- 44 Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
- 45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.