-
WORD Research this...Joshua 8
- 1 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
- 2 Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
- 3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ ny alina.
- 4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon’ ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
- 5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
- 6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
- 7 Ary dia hiroatra avy ao amin’ ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
- 8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin’ ny afo; araka ny didin’ i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
- 9 Dia nampandehanin’ i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’ i Ay, teo anelanelan’ i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ ny vahoaka ihany tamin’ izany alina izany.
- 10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ ny Isiraely.
- 11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin’ i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’ i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan’ izy sy Ay.
- 12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’ i Betela sy Ay, andrefan’ ny tanàna.
- 13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan’ ny tanàna, dia nandeha nankeo amin’ ny lohasaha Josoa tamin’ izany alina izany.
- 14 Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
- 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
- 16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’ i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
- 17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
- 18 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Atondroy an’ i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron’ i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
- 19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ ny afo.
- 20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
- 21 Fa rehefa hitan’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon’ ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
- 22 Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
- 23 Ary ny mpanjakan’ i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’ i Josoa.
- 24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra.
- 25 Ary izay rehetra maty tamin’ izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
- 26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
- 27 Nefa ny biby fiompy mbamin’ ny fananana rehetra tao amin’ izany tanàna izany dia nalain’ ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nandidiany an’ i Josoa.
- 28 Ary Ay dia nodoran’ i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
- 29 Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
- 30 Ary tamin’ izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
- 31 araka izay nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah, ny Zanak’ Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
- 32 Dia nosoratany teo amin’ ny vato ny dikan’ ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
- 34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin’ ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàna.
- 35 Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.