-
WORD Research this...Judges 13
- 1 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, ka dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Filistina efa-polo taona izy.
- 2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
- 3 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
- 4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
- 5 Fa, indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Filistina.
- 6 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin’ ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin’ Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
- 7 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
- 8 Ary Manoa nangataka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’ Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
- 9 Ary Andriamanitra nihaino ny feon’ i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin’ Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
- 10 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin’ ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin’ ilay indray andro.
- 11 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
- 12 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
- 13 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
- 14 Izay rehetra avy amin’ ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
- 15 Ary hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak’ osy ho Anao.
- 16 Dia hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr’ i Manoa ho Anjelin’ i Jehovah Izy.
- 17 Dia hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
- 18 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
- 19 Dia naka ny zanak’ osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin’ ny vatolampy ho an’ i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
- 20 Ary raha niakatra ho amin’ ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ ny alitara, dia niakatra teo anatin’ ny lelafo avy teo amin’ ny alitara Ilay Anjelin’ i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ ny tany.
- 21 Ary tsy niseho tamin’ i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin’ i Jehovah; dia fantatr’ i Manoa fa Anjelin’ i Jehovah Izy.
- 22 Ary hoy Manoa tamin’ ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’ Andriamanitra.
- 23 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak’ i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin’ ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
- 24 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
- 25 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.