-
WORD Research this...Judges 19
- 1 Ary tamin’ izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
- 2 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
- 3 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan’ ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
- 4 Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
- 5 Ary nony tamin’ ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
- 6 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
- 7 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
- 8 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin’ ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan’ ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
- 9 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
- 10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’ izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’ i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
- 11 Ary rehefa mby teo akaiky an’ i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin’ ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ ity tanànan’ ny Jebosita ity isika ka handry ato.
- 12 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin’ ny tanànan’ ny olona hafa firenena izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
- 13 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Andeha isika hankamin’ ny anankiray amin’ ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
- 14 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an’ i Gibea, izay an’ ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
- 15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ ny kianjan’ ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
- 16 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin’ izany tanana izany dia Benjamita.
- 17 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
- 18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’ i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
- 19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
- 20 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
- 21 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
- 22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
- 23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.
- 24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
- 25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
- 26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ ny andro.
- 27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ ny trano, ary ny tanany eo amin’ ny tokonana.
- 28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ ny fonenany.
- 29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin’ ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin’ ny taolana ho roa ambin’ ny folo toko, ka nampitondrainy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra.
- 30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ ny andro niakaran’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.